Tsy misy reharehako (Bruno sy Malala)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy misy reharehako afats'i Jeso
Izay nanombo ny otako tamin'ny tenany
Tsy misy reharehako afats'i Jeso
Maty solovoina mba hamonjy ahy

Tsy misy voninahitro afats'i Jeso
Zay nanetry tena re mba hanandratany
Tsy misy voninahitro afats'i Jeso
Nety nidina tety hanavotra ahy

Jeso, Jesoa tia sakaiza mamiko
Ny fitiavanao doria no ivelomako
Raiso anjakao ny fiainako ho anao
Jeso, voninahitro mandrakizay

Tsy misy fiadanana afats'i Jeso
Zay mamela ny heloko ka manadio ny foko
Tsy misy fiadanana afats'i Jeso
Vonona handray ny hadisoako

Jeso, Jesoa tia sakaiza mamiko
Ny fitiavanao doria no ivelomako
Raiso anjakao ny fiainako ho anao
Jeso, voninahitro mandrakizay
Jeso, voninahitro mandrakizay
Jeso, voninahitro mandrakizay
Jeso, voninahitro
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Bruno sy Malala
Vangy : 1337
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 18/05/2021 22:58
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114