Tsy misy reharehako (Bruno sy Malala)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy misy reharehako afats'i JesoIzay nanombo ny otako tamin'ny tenany
Tsy misy reharehako afats'i Jeso
Maty solovoina mba hamonjy ahy
Tsy misy voninahitro afats'i Jeso
Zay nanetry tena re mba hanandratany
Tsy misy voninahitro afats'i Jeso
Nety nidina tety hanavotra ahy
Jeso, Jesoa tia sakaiza mamiko
Ny fitiavanao doria no ivelomako
Raiso anjakao ny fiainako ho anao
Jeso, voninahitro mandrakizay
Tsy misy fiadanana afats'i Jeso
Zay mamela ny heloko ka manadio ny foko
Tsy misy fiadanana afats'i Jeso
Vonona handray ny hadisoako
Jeso, Jesoa tia sakaiza mamiko
Ny fitiavanao doria no ivelomako
Raiso anjakao ny fiainako ho anao
Jeso, voninahitro mandrakizay
Jeso, voninahitro mandrakizay
Jeso, voninahitro mandrakizay
Jeso, voninahitro
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Bruno sy MalalaHits : 1845
Likes : 0 Like
Created by : hery
Date : 18/05/2021 22:58