NY TSIA (Bodo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny "tsia" filazanao nanafaka aina ahy
Ka mankarary an-doha tsy toy ny teo aloha
Raha namaly ianao "eny" no lazao
Fa avotr’aina ho ahy
Ho faly aho satria efa nahazo teny mamy avy aminao
Faly aho fa tiako ianao
Ny masoandro hamiratra indray
Ny volana aza alaiko ho anao
Fa ny "eny" ambarao

Izay mihintsy ilay teny
Raha toa tia ahy ianao ataovy "eny"
Ny fiainako sy ny anao
Tsisy tomika fa fianam-baovao
Ny andro lasa ho adinoiko
Na mangidy aza tsy tsaroako
Eo am-bavako ny "eny"
Faly aho miaraka aminao


Andramo ny "eny" hatramin’izao
Faly aho miaraka aminao
Hatramin’iny, hatramin’izao
Hanori-mpiainam-baovao


Tonony: Bodo
Feony: Sonny Clark
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Bodo
Visites : 4759
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : mahazo
Date : 02/07/2004 21:45
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0118