Nihamaizina ny androko (Bodo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nihamaizina ny androko
Nilefy ilay masoandro nianjona ahy
Toa nampifoha indray ny taloha
Lasa izay nodiavintsika omaly

Toa volon’andro tena soa tokoa
ny volana no nibaliaka indray
Toa mbola tazako eo ilay alokao
Nirintona dia lasana nandao

Fa mbola ho avy ilay andro izay andrasako
Ka hipody indray ilay hazavana soa
Amin’izay fotoan'izay dia ho tsapatsika indray
Ny Hasambarana fitiavana antenaiko
Tsy ho tarangana
Raha hibaliaka indray ilay androm-piainantsika
Ho zary hafanana ilay hatsiaka
ka ny fontsika hifangia sy hiakambana ho doria
Itodio ka mba jereo ity sisa nanamboranao mitoreo

Mino aho fa mbola ho avy indray
Hivimbina hafanana sy fitia
Ilay endrikao miramirana
Hampody indray ilay fifaliana
Nidify ny orana nanaloka ahy
Hipoitra indray ilay masoandro teo
Mba hanazava indray ny lalana
Lalandavitra hodiavina

Fa mbola ho avy ilay andro izay andrasako
Ka hipody indray ilay hazavana soa
Amin’izay fotoan'izay dia ho tsapatsika indray
Ny Hasambarana fitiavana antenaiko
Tsy ho tarangana
Raha hibaliaka indray ilay androm-piainantsika
Ho zary hafanana ilay hatsiaka
ka ny fontsika hifangia sy hikambana ho doria
Itodio ka mba jereo ity sisa nanamboranao mitoreo

Fa mbola ho avy ilay andro izay andrasako
Ka hipody indray ilay hazavana soa
Dia amin’izay fotoan'izay dia ho tsapatsika indray
Ny Hasambarana fitiavana antenaiko tsy ho tarangana
Hibaliaka indray ilay androm-piainantsika
Ho zary hafanana ilay hatsiaka
Ka ny fontsika hifangia sy hikambana ho doria
Tsy miova sanatria miandry ano ity foko tia tena tia
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Bodo
Visites : 9188
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : Josiane
Date : 31/05/2002 08:46
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0123