mpanarato (Bodo)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Olona mpanaratoMailaka ambony rano e ! (in-droa)
Mandeha, mandeha lakan-drafitra e
olona mpanarato eny izy
Mandeha, mandeha lakan-drafitra e
Tsy mba matahotra onja eny izy e !
Zanaka mpanarato
Mitsimpona akorandriaka . . (in-droa)
Jereo, jereo lakan-drafitra e
Tsy mba matahotra onja eny iny e
Jereo, jereo lakan-drafitra e
Lakana mpanarato eny iny e Ah I
Vadin’ny mpanarato
Tsy afaka tebiteby (in-droa)
Manahy, manahy lakan-drafitra
Sao dia voatelin’onja eny iny
Manahy, manahy lakan-drafitra e
Vadin’ny mpanarato eny izy e.
Tonony sy Feony : Bessa
Mpihira : Bodo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : BodoVangy : 9111
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : angemiiicky
Daty : 31/08/2006 10:21