fenonao (Bodo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fenonao (Bodo)

Izay jereko anie ry aiko
Omban’ny alokao,
Tsy hitahita toa tsy haiko,
Fa voatonona ny anaranao
Ny tontolon’ny fisainako
Manjohy anao am-binany
Tiako ianao amin’ny fiainako
hanorenana akany.

Aiza ianao, (in-2)
Moa ve mahatsiaro ahy;
Izaho aty mbola tia,
tena tia fa aza manahy!

Raha toa ka misy eritreritra
Tonga ao an-dohako ao
Voatsiahiko matetika
Ireo tokintsika izay natao,
Isan’andro aho mitsiky
Lavitra ahy ny tomany
Fenonao mihitsy
Ilay ratra-poko nanontany

Ny sarinao tsy mba miala eto imasoko
Vota sikotra tsy maty ato anatiko
Eny anao aho, anao
Tena tia fa tsy an’ny hafa.....

mpihira:BODO
Tonony: Ny Eja
Feony  : Tovo  J’Hay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Bodo
Vangy : 8419
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Ny Eja
Daty : 04/04/2004 04:41
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0123