Aza tsaraina (Bodo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy misy akory ny tonga lafatra
Mihinam-bary aza misy latsaka
Mijery ambony raha te ho afaka
Amin'ity fiainana mandalo kely ity e

Izay resy tsy ho akoraina
'Zay mandresy tsy hobiana
Ianao moa hendry ka tsy miangatra
Amin'ity fiainana mandalo kely ity e!

Aza tsaraina,
Aza latsaina koa
Aleo Izy ihany no hijery avy eo ambony
Aza hatsaraina
Aza ovaina koa
F'efa Izy no mandahatra sy Tompon'ny aina
Sy Tompon'ny aina
Sy Tompon'ny aina,
Sy Tompon'ny aina.


Izay mangina dia volamena
Tsy feno ihany no mikobana
Manaja tena fa sao miavaka
Amin'ity fiainana mandalo kely ity e!

Ka na ny haizina hiova ho mazava
Meteza ianao ho miramiran-dava
Dia mifohaza dia mahereza
Amin'ity fiainana mandalo kely ity e!

Aza tsaraina
Aza latsaina koa
Aleo Izy ihany no hijery avy eo ambony
Aza hatsaraina
Na ovaina koa
F'efa Izy no mandahatra sy Tompon'ny aina
Sy Tompon'ny aina
Sy Tompon'ny aina,
Sy Tompon'ny aina.

ô o o o
Eh eh eh

Aza tsaraina
Aza latsaina koa
Aleo Izy ihany no hijery avy eo ambony
Aza hatsaraina
Aza ovaina koa
F'efa Izy no mandahatra sy Tompon'ny aina
Sy Tompon'ny aina
Sy Tompon'ny aina,
Sy Tompon'ny aina.

Aza tsaraina
Aza ovaina
F'Izy Tompon'ny aina
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Bodo
Vangy : 1999
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 12/04/2022 20:16
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0948