Aim-panahy (Bodo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Afaka ny Tahotro,
Voafidy ankehitriny
Tsy mba manana ahiahy
Fa ianao dia ahy

Tsy mety afaka ao an-doha
Efa mifikitra tsy miala
Ianao foana foana
No mameno ny andro rehetra

Tsy mila tamby,
Tsy mila valiny,na vetin-teny ho renesiko
Tsy resena lahatra aho,na omena fahafaham-po
ampitony ahy
Anilanao tanteraka aho mandrakizay
F'ianao mantsy efa ato anaty
Tsy mba manam-paharoa

Anilanao tsy mba mangina
Izay atao dia mahaliana ahy
Ianao no ambeti-teny
Miverina matetika
Oh Oh Oh Oh
hm hm hm hm

Tsy mila tamby,
Tsy mila valiny,na vetin-teny ho renesiko
Tsy resena lahatra aho,na fahafaham-po
ampitony ahy
Anilanao tanteraka aho mandrakizay
F'ianao mantsy efa ato anaty
Tsy mba manam-paharoa

Afaka ny tahotro…
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Bodo
Vangy : 14833
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Lovanirina3
Daty : 18/04/2015 16:17
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0124