Sangodim-panina (Bera)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Sangodim-paninaSaro-panina ny foko te hanidina
Sady antsoin’ny fiainana mba hanodidina
Tanimboly misy lobo lalin’ny fitia
Ao ireo voahirana ao an-dranomaria.
Roboka aho ka nilatsaka hioty
Tsy naharitra ny hira sy ny angoty
Kanjo indrisy ranomody no namery
Rendrika aho, resin’alona mahery.
Iza no hisintona ahy ?
Mba hiverina eny imorona
Ary hanome ho ahy
Elatry ny vorona
Hikopahako zara afaka amin'izay
Anatra ho ahy, ny andro fahizay
Sangodim-panina hatrany ny fitia
Aoka tsy ho revo intsony ankoatr'ity
Aoka tsy ho revo intsony ankoatr'ity
Auteur: Razakandraina Salomon Jean Verdi (Dox)
Compositeur: Ramambazafy Albert (Bera)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : BeraVangy : 616
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Kalofahiny
Daty : 18/09/2022 12:22