Sombinaina ratsy vintana (Belou)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Yeah !
Nifankatia nareo mtsam, nanao firaisana ara-nofo
Nankafy nahazo fafiny t@le baise tao am-bovo
Dia nihaona ny tsirinaina, nareo ohatrin’ny hoe nanonofy
Ny valin’ny test de grossesse positif no porofo

Sahiran-tsaina mafy satria tsy tongan y fadim-bolana
Io tsy hoe tsy fanahy iniana , ianao tsy hoe nisy nanolana
Ilay zaza tsy manan-tsiny indray no toa nanjary olana
Voahozona tsy hahakobo mihintsy ny masoandro amam-bolana

Raha afaka nikôzy izy , niantsoantso hoe “vonjeo..!!!”
Fotoana vitsy no tao an-kibo, dada sy mama efa leo
Sombiniaina ratsy ventana, sendra olona ohatranareo
Ka tsy nanomboka akory ny fiainany dia nifarana hatreo

Fahantrana trop, sa te hanoy ny hatanorana
Tsy excuse izany madama, ianao mijanona ho mama
Izy ange tao an-kibonao nafana tsara tamana
Vono olona feno habibiana no nataonao noho ny hadalana

Marina fa ady mafy ilay fiainana eto an-tany
Bevohoka tsy manambady sarotra tsy azo lavina izany
Nefa raha ny fitiavan-tena no mibaiko hatrany hatrany
Dia tsarovy… tsarovy… any ankady no iafarany
Kobonao ve, fa tsy fidiny ho an’ny hafa ny tsy miteraka
Ianao diso tia tena, izay tianao tsy maintsy tanteraka
Maninona raha mba misaina kely aloha vao misaveraka
Mba mila mailomailo ihany raha mbola tsy te hiteraka

Manala zaza izany ange ka ny aina no atao sorona
Ny fitiavana ventiventesina nefa ny toe-tsaina lomorina
Sa inareo mahazo mandrava satria ianareo no nanorina
Fomba fijery tsy tody lavitra izany, hatreo an-tendron’orona

Ianao natao hoe hampinono, hamahana, hamelona
Ianao natao handrotsirotsy, hamafa ny alahelony
Ianao ilay reny nianteherany mpiambina toy ny anjeliny
Saingy.. fangirifiriana avy aminao no tsapany fony fahavelony

Tsy tonga aloha hananatra fa afara handatsa ny nenina
Zanakao tsy hanozona anao, ianao ho aiza no tsy ho reniny
Saingy ny tody a,efa tsy misy fa ny atao no miverina
Aleo enjehan’ny omby masiaka toa izay enjehan’ny eritreriny

Marina fa ady mafy ilay fiainana eto an-tany
Bevohoka tsy manambady sarotra tsy azo lavina izany
Nefa raha ny fitiavan-tena no mibaiko hatrany hatrany
Dia tsarovy… tsarovy… any ankady no iafarany
Nifankatia nareo mtsam, nanao firaisana ara-nofo
Nankafy nahazo fafiny t@le baise tao am-bovo
Dia nihaona ny tsirinaina, nareo ohatrin’ny hoe nanonofy
Ny valin’ny test de grossesse positif no porofo…
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Belou
Vangy : 1545
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 17/08/2015 23:32
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3081