Nofo mangatsiakako (Belou)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Taraiky anaty fahaverezana…. Latsapaka anaty ditra… Mivarilavo anaty revy…
Eny e Tsy maninona… tsisy bedy… yeah… Belou Ratsirahonana… yeah ! Han…

Miala tsiny raha manahirana ilay nofo mangatsiakako
Tsisy hotantaraina intsony ialahy fa izay no fikako
Tanjona ny ahy natao hotratrarina koboko hoe vitako
Afa-po tamin’ny fiainana efa hitako izay tsy hitako

Raha maty lesy ny tenako, mpandresy izany no anarako
Ampandreneso ny havako fa tsy ho maloka intsony ny tavako
Tody amin’ilay faniriana ka asaivo mirevy ny akamako
Mitsara no anjaran’ny fiaraha-monina fa izaho no manao ny tantarako ka,

Ny hany ho raisiko farany izany dia ny penina sy tastarako
Ny toaka sy ny sigarako, ny firavako sy ny mbalako
Ny an’lisany aloha mijanona eto fa ny ahy mitohy ny lalako
Tsy nifidy ny hiaina aho fa izaho no manao ny tantarako

Fa zarako, zarako lesy nandalo teto an-tany a!
Zarako lesy niaina ny tsiky sy ny tomany a!
Zarako lesy nahakobo ny mangidy sy ny mamy a!
Nahafantatra ny ambony sy ambany teto an-tany a!

Aleo ny maty handevina ny maty ao aminy
Fa ny ota mantsy fahafatesana no tambiny
Hijanona ny fony fa efa tapitra ny adiny
Aleo hikipy ny masony fa efa kobony ny antony


De ny vibe ko no hanankiana an’izay tia mitsaratsara
Hoe ny tsarako no ratsy ny ahy ny ratsy mety ho tsara
Ze tsy kôp dia tsentsina tsy mahazo ny tiako hambara
Fa ny fanahy maha olona ihany no tsy mety mizarazara

Tsy de bobaka les ny hafatro raha tong any ahy ny daty
Tsy dia mila fombafomba aho fa rehefa maty dia maty
Izay miandry ahy any hoany tsy koi za mahatanty
Teto an-tany zah zatra niady ny fiainako efa nampitapy

Na tsisy hoe fiaretan-tory ny ahy aloha tsisy bedy
Na hataon’ialahy leaza tsisy cred
Na tsisy hoe café sy mofo tsy koi mintsy fa mety
Tsisy kozy na hisaona ny mpokona na hanao fety

Eto am-pamaranana ny fiainako aho henika ny foko
Heniky ny hafaliana izany fa tsy heniky ny toloko
Izay fikôzin’ialahy azy tsy koi na hoe hadisoako
Fa feno fitaka ny tany izaho manana ny hambo-poko

Aleo ny maty handevina ny maty ao aminy
Fa ny ota mantsy fahafatesana no tambiny
Hijanona ny fony fa efa tapitra ny adiny
Aleo hikipy ny masony fa efa kobony ny antony

(Belou a…!! Belou…!! Belouuououou…!)


Aleo ny maty handevina ny maty ao aminy
Fa ny ota mantsy fahafatesana no tambiny
Hijanona ny fony fa efa tapitra ny adiny
Aleo hikipy ny masony fa efa kobony ny antony
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Belou
Vangy : 1549
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 18/03/2015 13:55
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0313