Aza magneky ho resin’ny ratsy (Belalahy Berardin, pretra)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aza magneky ho resin’ny ratsy e
Ny ratsy reseo amin’ny soa
Aza magneky ho resin’ny ratsy e
Ny ratsy reseo amin’ny soa, Mifankatiava eia

Fifankatiavana tsy mihatsaravelatsihy
Mankahala ny ratsy miraiky amy tsara
Mitiava-namana toy ny mpirahalahy
Mifegna mifagnano soa, mahaiza mifanaja
Mpirahalahy ka mitandro fihavanana
Tsy mirekireky fa miroso an-kerimpo
Faly manantena ka mandefi-pahoriàgna
Maharitra mivavaka manara-dià ny Tompo

Aza magneky ho resin’ny ratsy eeia
Ny ratsy reseo amin’ny soa
Aza magneky ho resin’ny ratsy eeia
Ny ratsy reseo amin’ny soa, Mifankatiava eia

Manampy ny olomasina, mandray mpivahiny
Tsy mamaly faty fa misaotra ny mpanenjika
Dia miara-paly mankahery ny ory
Tsy miavognavogno mandray ny iva toetra
Raha mba azo atao hihavano ny olo jiaby
Mivognosa angano soa anatrehan’Izy Tompo
Tsisy valifaty fa mitia fahavalo
Tsy resin’ny ratsy mampandresy ny soa

Aza magneky ho resin’ny ratsy eeia
Ny ratsy reseo amin’ny soa
Aza magneky ho resin’ny ratsy eeia
Ny ratsy reseo amin’ny soa, Mifankatiava eia
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Belalahy Berardin, pretra
Vangy : 868
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 18/10/2020 13:02
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112