Koweit (ahitsio) (Belahy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Zera baomba tsy nisy tahak'izany, nangotrokotroka ny ady tany ho any
Nanakoako manerana ny tany fa niharatsy ny adin-tsolitany
Zera baomba tsy nisy tahak'izany, nangotrokotroka ny ady tany ho any
Nanakoako manerana ny tany fa niharatsy ny adin-tsolitany

Eeeh, eyah, eeeh, Koweit e (x2)

Nahazo baiko ka niaraka nandeha, ka nanjera baomba ny B52
Rodorodo nanaraka avy afara, ao ambany tanky, ambony jagoara

Nanafatrafatra ny antso an-tariby fa tsy te hahalala ny any etazonia
Nanizingizina sady basy vava, fa tsy mitsoaka ny any Bagdad a

Tifi-davitra mody tsy mijery, voakitikitika ny any Israely
Ra-miaramila tsy afaka nandà fa nisatro-by, nibaby bardà ooo

Eeeh, eyah, eeeh, Koweit e (x2)

Donan-tsetroka niakatra niavo, niredareda nirehitra ny sambo
Mody zefa jerena badobado, fa manana ainga miavaka ny arabo

Naseho an-tsary navoaka an-gazety, hain'ny arabo ny ady an-tanety
Nolazain'ny gazety amerikanina, fa nisitrika ingahy filoha Saddam

(ritsoka)Radio Bagdad, God bless, Salam Alikoum, Alikoum Salam
Koweit, Koweit...
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Belahy
Visites : 205
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : andrezega
Date : 25/10/2025 19:55
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0857