Jono botry (Balafomanga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ho anareo zay maika andeha hitaingina jono botry
Ref:Jono botry e telopolo 2x
Jono botry e efapolo 2x
Jono botry e dimapolo
Ho anareo zay maika andeha hitaingina jono botry

Ndao andeha ramose andao mandrosoa raha maika be
Miakara ety re ramatoa andao mandrosoa eo aloha
Reo mpandeha tsy azo ferana efa feno ty ny toerana
Andao ry sôfera alefaso ny môtera

Ref:.............
Interlude
Ref: .......

Miakara ianao ramatoa kely ampofoy aminao ny zazakely
Miakara dia andraso kelikely f'zaho tsy mba taitra velively
Satria ianao ity voatery hiaradia
Hanaraka ahy akia tsy tara anefa sanatria

Ref: ..........
Interlude

Ankehitriny anefa tsy izany intsony
Lanja miakatra ny frais ny jono botry
Tsy telopolo sy efapolo na dimapolo
Fa miakatra hatramin'ny valopolo
Ariary zato mety ho roanjato
Lanja miakatra hatrany ny frais ny jono botry

Na i dada na neny dadatoa na nenitoa
Efa may ny te ho tonga amin'ny alehany avokoa
Kanefa moa atao ahoana
Mety misy ny mpandainga fotoana
Satria lavitra re ny aleha
Ny embouteage koa be dia be

Jono botry e 10x

Nefa na amidy vary sy vorivorikena
Tapitra tsisy fameriny teny antsena
Ny vola saika hatao frais
Satria niakatra avokoa ny kenokenona
Ka be ireo nanjary menomenona
Tsy mora manko ny mitady vola

Raha vao mihanahana be ny mpanakora
Mpandeha tongotra zara raha manambola
Mpandeha jono botry tony tsy mitsitsy vola
Satria miakatra frais ny jono botry

Jono botry

Atero haingana fa maika be fa lavitra tokoa ny haleha
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Balafomanga
Vangy : 1135
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : leftia
Daty : 11/12/2019 16:22
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.076