Ranomaso (AVM)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ranomaso latsaka
Fa narahina hafaliana
Noho ny Ranao latsaka
Tamin’ny Hazofijaliana.

Ranomaso latsaka
Fa narahina hafaliana
Noho Ianao nitsangana
Avy ao am-pasana mangina.

Nohenjehina i Kristy,
([i] noho ny helokao - noho ny helokao[/i])
Nohenjehina noho ny helokao.
([i]noho ny helokao - nohenjehina noho ny helokao[/i])

Nampijaliana i Kristy,
([i] noho ny helokao - noho ny helokao[/i])
Nampijaliana noho ny helokao.
([i]noho ny helokao - nohenjehina noho ny helokao[/i])

Nofantsihana i Kristy,
([i] noho ny otanao - noho ny otanao[/i])
Nofantsihana noho ny otanao.
([i]noho ny otanao - nohenjehina noho ny otanao[/i])

Novonoina i Kristy,
([i] noho ny otanao - noho ny otanao[/i])
Novonoina noho ny otanao.
([i]noho ny otanao - nohenjehina noho ny otanao[/i])

Fafao ny otako, Tompo o, Tompo o
Fafao ny otako
Fafao noho ny fijalianao.

Sasao ny heloko, Tompo o, Tompo o.
Sasao ny heloko
Sasao amin’ilay Ranao.

Faly e, falifaly e
Fa tanteraka ny zavatra
Faly e, falifaly e
Fa tanteraka ny zava-drehetra.

Ranomaso latsaka
Fa narahina hafaliana
Noho ny Ranao latsaka
Tamin’ny Hazofijaliana.

Ranomaso latsaka
Fa narahina hafaliana ...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AVM
Vangy : 7241
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : pissoa
Daty : 15/07/2006 11:46
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0118