Mba tsy hanenenao (Atounah)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Nahatsiaro naratra sy ravanao koa ny foko( raha nilaozanao)
Nahatsapa voahilika potika ohatry ny fako ( satria lasa ianao)
Ekeko fa izaho efa mba nomenao fika ( hanadinoina anao)
Tsy haiko ny hatao satria mbola ianao koa no tiako( izaho voadonanao)
Na ny toaka tsy nigoaka, fanirianao ilay izaho tsy mifoaka
Dia najaiko satria izaho koa tia, ankehitriny aho nopainao, nomenao ny fuck
Fôkasy ny vitako tsy haiko ny vitanao tsy haikp ny vitanao na nisy faute eh!
Dia ho nofy ve izany ny voady nataon-tsika hoe "fitia non stop" eh!?
Stoper-o hoy i Nadia, nofin-tsika roa ilay ho mpivady a,
Be ny sedra nolalovan-tsika , dia niafy aho tsy maintsy niady aho
Dia ho vitanao ve ny hanadino ireo lasa vita izaho tsy mino
Ireo tambitamby sy ireo sangisangy , fihetsikao ilay mihanta izaho fihino
Tantara tsy foiko hadinoina ilay hoe hisy peratra ambony Altara
Mitamberina an-tsaika ilay tsiky voalohany indrindra, dia iny aho no tara
Ahoana no andidy ny anjara , ny @-tsika efa tokony hiarafa
Tsodrano no omeko ry jôba, mahazoa izay hiriana mba tsy ho lany zara

2. Ekeko fa mamy eny ampiandohana ny love manoatra toa paradisa
Saha Edena fahiny nanjary namotika lasa nivadika disadisa
Mamisavisa ny vita mibanjina ny ho avy no hataoko vahaolana
Dia rano-maso eny @ tavako ho takoman'ny ranon'orana
Indray andro any, andro any, ho ritra ireo tomany
Izaho tsy hiteny hoe mangidy fa mba nisy koa toa mamy
Ny alahelo ny ankiviana, ny sentosentom-pahoriana
Ho tonga vato fehy zoro hitondra tsikim-pifaliana
Dia mba ho tadidinao ilay kozinao t@nao nandao hoe
Ataovy manjamanja mba tsara noho izaho aloha ny jôba anao vaovao eh!
Miezaka aho ny hijoro na dia hoe torotoro
Tsaroako ilay tenin'ny ilay tratra nampiaraka izaho hoe
Fitia anie mandoro ny Tounah
Avy ianao mba manantona ahy, tsy mazaka zavatra hoatry itony aho
Rehefa misy tranga iray mdona, @Andriamanitra mifona
Satria mahatsapa kivy ohatra an'i jodasy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Atounah
Vangy : 441
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Atounah
Daty : 20/06/2022 13:10
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3423