Cinderella (Arione Joy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Oh! Ho! My Cinderella
Tsy haiko aloha ianao ra mbola tsy taman’ee!
‘Zaho aty dia tena niezaka nanao izay vita
Raha ny hampifaly anao dia efa ezaka efa ela

Efa mba niezaka ny ho tiavinao
Fa tsy haiko hoe bika ve sa endrika no halanao
Ka miala tsiny zah! (miala tsiny zah)

Zaho tsy manambola sady tsy manan-karena
Dia ny fahantrako ve no ataonao fahalemena
Azafady aminao my girl!

Raozy vao mamelana lay fitiavana anao
Dia ataoko zaridaina ianao raha sitrakao
Dia ny masoandro amam-bolana ho namantsika
Dia mba izy no hanafana

REF
K’hianao indray zao no volana, rehefa zah no kintana
Isika roa no miaraka samy tsara vintana
Ka ho hadinoina ny problème
Hadinoina ny problème

Ekena fa ny vola nge no maha lehilahy
Fa ny fitiavana an’lah tsy maha lehilahy
Fa mampandraiky mampanavy
Ka mila love love love zah !

Tairo mba mandrosoa fa mivoha le varavaran’ ee !
Dia mba raiso aloha le tanako ankavanan’ee !
Zay vola lany tsy ahoantsika fa ndao handeh !
Ndao handeh ! Ndao handeh !

K’hianao indray zao no volana, rehefa zah no kintana
Isika roa no miaraka samy tsara vintana
Ka ho hadinoina ny problème
Hadinoina ny problème
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Arione Joy
Vangy : 11257
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 05/08/2016 19:45
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0719