TSY MISY HAHASARAKA AHY (ANTOKO MPIHIRA ORIMA SY TOMIMA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy misy hahasaraka ahy amin'ny fitiavanao Jesoa ô
Ny fitiavanao Jesoa ô(2)
Tsy misy haharombaka eo am-pelatananao Jesoa ô
eo am-pelatananao(2) Jesoa

ou ou ou
Ny fahazazana nodiaviko
Ny hatanorako ny Heriko
dia natokako anao avokoa, Anao avokoa
ireo faniriana sy voadiko
ny fiainako, ireo androko
dia nankiniko taminao Jesoa ô
ou ou ou
tsy misy hahasaraka ahy aminao Jesoa ô
ou ou ou
satria ianao, ianao no Tompoko

ka inona indray iza no handrava ny finoako Anao Jesoa
tsy hisy intsony izany Tmpo ô(2)
Ny rivotra mahery, ny tafiotra mafy, ny fahafatesana,
Zany re ry Tompo ô tsy mba hamoizako Anao

A/C: Myriam RAZAFINTSEHENO
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : ANTOKO MPIHIRA ORIMA SY TOMIMA
Vangy : 776
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : rakotoharifetrahaja
Daty : 18/07/2020 10:17
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0709