Adidiny ianao (Antoko Mpihira Ny Trompetra Volamena MF)

1-Ny antom-pisinao
Ry olo-mandalo
Moa efa nosaininao
Ny ampitsonao ‘zay
Be fahavalo
Aiza no ankininao

Aiza no ankininao ny hovavinao
Aiza no ankininano ny momba anao fa…

2-Ny atom-pisiko
Ry piaradia
Dia ny hanohy ny asany ka…
Ny ampitsoko izay
Miafina indrindra
Indro efa niahiany

Ref: Koa reo otanao,
Vesatra anatinao
Ankino aminy fa ho afahany
Ireo orana mitrao
Te-hanafotra anao
Ekeo ho Azy, iadidiany

Oh oh oh o o o… (ankino Aminy)
Oh oh oh o o o… (ny ho avinao)
Oh oh oh o o o oh oh oh oh
tononkira.serasera.orgAknino Aminy ny momba anao ka…

3-‘Zay anananao
Ndeha atolory
Ho an’ireo madinika
Ho endrika atao
Enti-mitory
Porofo fa Azy ianao

Ref: Koa reo otanao,
Vesatra anatinao
Ankino aminy mba ho afahany
Ireo orana mitrao
Te-hanafotra anao
Ekeo ho Azy, iadidiany
Izay tahotrao
Mby hamefy anao,
Ndeha ijoroy fa ho foananay
Koa na inona hatao
Raiso ao am-po ao
Fa ianao dia ADIDINY

Ankino aminy ‘reo hoavinao
Ekeo ho Azy izay momba anao
Ankino amininy f’izy hiady ho anao
Satria zanany (ianao), adidiny ianao

Ref: Koa 'reo otanao..

Hevitra mandeha

Faliana2402 (15/01/2017 05:46:09)

Mbola tsy hita ao @Application tompok ity hira Adidiny ianao ity... misaotra topok

Tohiny Hametraka hevitra

Mpihira : Antoko Mpihira Ny Trompetra Volamena MF
Mpamaky : 1823
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : Faliana2402
Tamin'ny : 15/12/2016 06:46:04
ID : 9022

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo