PAKA FANAVOTANA (AMBOARAM-PEO FIDERANA Soanierana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Nilokana ny akanjon’ny Tompo,
Nosatrohana fehiloha tsilo
Nofantsihina ny tanany roa ô,
Nolefonina ny lanivoany
Niala ny ainy fa mafy ny vono,
Maizina ny tany aman-danitra
Lavo Ilay Andrarezina

2-Mpianatra sendra nandalo,
No niangavy mba haka ny faty
Sy nanositra diloilo manitra Azy ô
Ary namono, nanafy lamba fotsy
Nakodia ny vato, nihidy fasana
Malahelo ny tany aman-danitra
Lavo Ilay Andrarezina


Afaka hateloana anefa, injay horohorontany
Nikodia ny varavaram-bato,
Indro hazavana manjemby maso
Nitsangan-ko velona ny Tompo ô
Resiny teo ny fahafatesana
Nalany tamin’ny ota ny olombelona rehetra :
Tanteraka ny FANAVOTANA

Tonony sy Feony : RATSIMBA Paul Aimé
Mpihira: AMBOARAM-PEO FIDERANA (1988)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AMBOARAM-PEO FIDERANA Soanierana
Vangy : 2980
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Rafaby
Daty : 31/03/2004 05:53
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0731