Efa sitrakao (AMAF)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Efa sitrakao tokoa Ray ny fisianay eto.
Zao rehetra izao nomenao, fa tsy fantatray;
Mifamahofo hatrany ny tsiky sy sento.
Efa sitrakao tokoa, Ray, ka mba sitrakay.

Ref:
Sambatra izahay, sahinay ny milaza,
Manontany tena: Nahoana tokoa...?
Namamakivaky ny efitra aza,
Mbola afa-manantena fifaliana ao am-po.

2-Efa sitrakao ny aizin'ny ali-mangina;
Ho fameranao ny andro sy ny asa fanao;
Fantatrao tokoa, tokoa ny amin'ny rano tsy tiana;
Fa ekenay hosotroina satria sitrakao.

Ref:
Sambatra izahay, sahinay ny milaza,
......
Anao Isaoranay Anao ry Ray.
Ny lalana itondranao.
Tsisy lalan-kafa azonay izorana?
Afa-tsy ny sitraponao: zay no mbola naha toy izao
Fa tokinay ilay kofehy ifamatorana.
Aminao Andriamanitra mpiaro anay.
Jordan
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AMAF
Vangy : 515
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Ruthkwl
Daty : 02/07/2022 20:54
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5599