Ary elatra (Alson)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izay te-hanidina ambony
Izay te-hanidina tsy hianjera intsony
Na dia lavitra ny dia
Be ireo tanjona irina
Hanakatra ilay kintana ery

Haminavina anao ilay mandrotsirotsy
Hirediredy handefa saina hanonofy
Samy hanidina hankafy
Isika roa ilay mpiara-dia
Hanakatra ilay kintana iry

Ary elatra aho
Ary elatra ka hitady anao
Mitombo hery isan'andro
Ilay herim-pitia ho atolotro ho anao
Manan'elatra aho
Hitondra anao an'habakabaka ambony
Ilay nofinofy isan'andro
Izao fa tanteraka, tanteraka amiko

Tsy mila resy, mila fandresena
Tsy misy ho resy io, tsy mba hisy ho tavela
Na hoe : "mafy ny fiainantsika"
Rotoroto izay manalika
Ho tonga indray ilay tanjona irina

Haminavina anao ilay mandrotsirotsy
Hirediredy handefa saina hanonofy
Samy hanidina hankafy
Isika roa ilay mpiara-dia
Hanakatra ilay kintana iry

Ary elatra aho
Ary elatra ka hitady anao
Mitombo hery isan'andro
Ilay herim-pitia ho atolotro ho anao
Manan'elatra aho
Hitondra anao an'habakabaka ambony
Ilay nofinofy isan'andro
Izao fa tanteraka, tanteraka amiko

Raha nofinofy fotsiny io dia
Dia ahita hasambarana
Mbola ho avy izany andro izany
Dia mbola hisy ny fahafahanao
Fifaliana, Fitsikiana
Fahoriana tsy ho isy

Ary elatra aho
Ary elatra ka hitady anao
Mitombo hery isan'andro
Ilay herim-pitia ho atolotro ho anao
Manan'elatra aho
Hitondra anao an'habakabaka ambony
Ilay nofinofy isan'andro
Izao fa tanteraka, tanteraka amiko
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Alson
Hits : 13523
Likes : 1 Like
Created by : landyi
Date : 15/05/2014 08:40
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3169