You are here: home > Tononkira > ALOMA

Ity hirako ity (ALOMA)

Ity hirako ity dia atolotro anao
Hahatsiarovanao ny anarako
Raha ho lasa any ianao
Ka ho lavitra ahy
Veloma mandrapihaona
Aza hadino lalandava
Fa mpinamana isika
Tsy mba nifankafoy tety
Mpizara alahelo, mpizara hafaliana
Izaho sy ianao hatramin’izao.

Very namana aho nilaozanao
Ka iza indray izao Tsiky dia ampyno antenaiko
Hilazako ny manahirana ahy
Hisolo ny toeranao

Tsy ny elanelan-tany na ny fahalavirana
No hampisy ny fanadinoana
Fa raha sento tokana monja
Ary tsiahy iray minitra
Dia ampy hampiray antsika
Koa raha manina ahy ianao
Na te hanoratra
Ny aty tsy miova adiresy
Tsy miova fanahy, tsy miova fitia
Fa miandry, miandry anao

Mpihira : ALOMA
Mpamaky : 21046
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : Rondro
Tamin'ny : 21/03/2002 11:05:55
ID : 671

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo