Fanekena (Akon'ny Lanitra FLM Fihaonana Fort-Dauphin)

Anio aho, hanolotra ny tenako ho anao,
Ho vavolombelonao aho amin’izay hatao ;
Na amin’ny fiteny, na amin’ny fitondra tena,
Raiso aho Jesosy ho anao. (x2)

Anio aho, hanolotra ny tenako ho anao,
Hanao fanekena amin’ny fanatrehanao ;
Tsy handeha irery, Ianao feno hery
No hitantana ny fiainako izao.

Fifaliana ho ahy ny hanaraka anao,
Omeo fo madio, omeo aina Tsiky dia ampyvao ;
Ho hirakirakao, hijoro ho fanasina
Tariho aho ho mendrika anao. (x2)

Manomboka anio, ny lalanao no lalako,
Ny tananao, no tanako,
Ny sandrinao mahery no hitantana  ny fiainako ;
Hanoro izay hatao,
Tariho aho ho mendrika anao. (x 2)

Manomboka anio, ny lalanao no lalako,
Ny tananao no tanako,
Ny sandrinao mahery no hitantana ny fiainako ;
Hanoro izay hatao,
Tahio aho ho mendrika anao.

Mpihira : Akon'ny Lanitra FLM Fihaonana Fort-Dauphin
Mpamaky : 309
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : hery
Tamin'ny : 24/02/2022 16:06:29
ID : 13961

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo