HO MPANDRESY AHO (akon'ny alfa sy omega)

https://tononkira.serasera.org/hira/akonny-alfa-sy-omega/ho-mpandresy-aho

Nirotsaka ny ranomasoko
Toa irery lotra aho Ana sy reraka
Zay jerena maizina avokoa
Lay hazavana teo  Indro nilentika
Eso latsa ve no mba anjara Ho ahy ety an-tany
Fa safidy ny ahy ny ho mpanomponao
Manaraby ery reo fahavalo raha mandre izany
hoe aiza izay mba Andriamaniny
Tsaroako anie hianao niazona ahy
Ny tananao tsapako nanohana ahy
Tsisy fiadanan’ny ratsy fanahy
Hoy ilay feonao izay mampahery ahy
Lay holatrin-ny lanivoanao Akatononkira.serasera.orgsio ny foko anio
Mba anasitrana ahy Tompo o ny ra nalatsakao
Hanadiovy ny heloko Tsy hisy pentina
Tsinotsinona izay fahoriako mihotra noho ny anao
Satro-tsiko latsa sy ny kapoka
Raha izay enjika hifofona ny aiko ialako eo amin’nao
Dia iaretako satriko tiako ianao
Ny herin’ny hazo fijalianao
Nandrava ny olana sy ny tahotra
Na fafatesana aza resinao
Ho MPANDRESY AHO fa miaraka aminao

                         HO MPANDRESY AHO – AKON’NY ALFA SY OMEGA

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : akon'ny alfa sy omega
Mpamaky : 950
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : tsils
Tamin'ny : 24/06/2015 08:57:08
ID : 7553

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo