TSY HO NOFY (Aina Cook)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
NANONOFY AHO
FA FOANA NY ADIADY SY NY TOMANY
’ZAY MANDROTIKA NY TANY
ZAO TONTOLO ZAO MIHARY HINA
TSY HISY INTSONY FIJALIANA
HERY MARO NO MITAMBATRA
FEO IRAY NO HASANDRATRA
NANONOFY AHO
FA FOANA KOA NY MOSARY
IREO ZAZA ZAY NIJALY
CHORUS
RAHA MISY ANDRO IRAY
TSY MAMPETY ZAY ATAO
TOLOKO SY TALAHO
METEZA HANONOFY TOA AHY
FIAINANA HO FENO HASAMBARANA
HAFALIANA TSY HIFARANA
NA KOA FAHORIANA
VIZANA NY FANAHY
MISALASALA MIAHIAHY
METEZA HANONOFY TO AHY
ALINA FENO HAZAVANA
HATSIAKA FENO HAFANANA
TE HANONOFY AHO
TONTOLO TSISY HERISETRA
FAHATONIANA TSY HANAMPETRA
TSISY HAVAKAVAKA
MIFANDRAY NY TANANA
FO IRAY IHANY NO HO ETO
HIARA HIAINA HIARA HITEPO
MBOLA HANONOFY AHO
NY LAINGA TSY HISY INTSONY
NY FO MAFANA DIA HO TONY
NY MARINA NO HANJAKA
HAMPAHERY SY HAMPITRAKA
KA NY HITSINY SY NY RARINY
IZY IREO NO TOMPON-DAKA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Aina Cook
Vangy : 4970
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 02/09/2007 09:03
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1627