JESOSY AVY ANY NAZARETA (AFA Choir ( Antsa Fanantenana Ambatotsidikaina))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Raha inoanao tokoa Jesosy avy any nazareta
Fa manan-doharano ho an'izay mangetaheta
Ny aretina rehetra, ny olana tsy misy fetra
HO SITRANINY
Tsarovy kosa anefa fa nomeny ny fepetra
Ny hamoizanao ireo fahazaran-dratsinao rehetra
'Reo filàn-dratsinao, ny fin'izao tontolo izao
MANEKE, MANEKE

REF :
Ka inona no mbola mampisalasala anao e
Mbola mamy ve ny fiainana amin'izao tontolo izao ô ?
Ataonao hoe kisendrasendra va
Ny fijaliany nilatsa-drà ?
Fa famonjena, fitiavana lehibe ho anao

De inona no mampivoaka indray ireo ao am-bala e ?
Tsy manery ve Jesôsy de aleonao ny miala ô ?
Fa ny amboadia anie tsy hisangy anao
Fatorany any vao hoe '' inty aho vahao ''
Voafetra ihany raha ny famindram-pony ho anao

..... Instru........

Raha inoanao tokoa Jesosy avy any nazareta
Fa manan-doharano ho an'izay mangetaheta
Ny aretina rehetra, ny olana tsy misy fetra
HO SITRANINY

REF :
Ka inona no mbola mampisalasala anao e
Mbola mamy ve ny fiainana amin'izao tontolo izao ô ?
Ataonao hoe kisendrasendra va
Ny fijaliany nilatsa-drà ?
Fa famonjena, fitiavana lehibe ho anao

De inona no mampivoaka indray ireo ao am-bala e ?
Tsy manery ve Jesôsy de aleonao ny miala ô ?
Fa ny amboadia anie tsy hisangy anao
Fatorany any vao hoe '' inty aho vahao ''
Voafetra ihany raha ny famindram-pony ho anao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AFA Choir ( Antsa Fanantenana Ambatotsidikaina)
Vangy : 601
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Ckaye
Daty : 07/06/2022 19:00
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.076