HANAIKY ANAO (AFA Choir ( Antsan'ny Fanantenana Ambatotsidikaina))

1. Ny rofy sy ny aretina sitraniny
Ny maty tany am-pasana natsangany
Izay manaiky fa maloto dioviny
Raha hoe FITIAVANA ilainao ananany

Nanaiky nampangininy ny rivotra
Ny fanahy ratsy nahita Azy, nangovitra
Ny fahefana rehetra am-pelatanany
Na fasana nihazona Azy afany

REF :
Tompo ô, tsy mendrika hidiranao
Ao ambany tafotranoko aho e,
AmpianTsiky dia ampyaro aho hitia Anao Jesosy ô
Ny anatiko ao ovay ho fo vaovao
HANAIKY ANAO

2. F'izaho kosa de mpanota rendrika
Tena maloto am-poko ao tsy mendrika
Ny tananao no antenaiko hanafaka ahy
Anio aho hanoa Anao fa tena fay

REF :
Tompo ô, tsy mendrika hidiranao
Ao ambany tafotranoko aho e,
Ampianaro aho hitia Anao Jesosy ô
Ny anatiko ao ovay ho fo vaovao
HANAIKY ANAO
( x2 )

Mpihira : AFA Choir ( Antsan'ny Fanantenana Ambatotsidikaina)
Mpamaky : 80
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Ckaye
Tamin'ny : 06/06/2022 18:05:22
ID : 14285

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo