You are here: home > Tononkira > A hatramin'ny Z

SOA FA TEO IANAO (A hatramin'ny Z)

Foiny taloha,tsy mbola nanana Anao
Nanjeninjeny,nanao izay tiana atao
Nandany fotoana tamin'ireo zava-poana
Manalazy revirevy no atao

Tsy hita akory anefa,zay vokany hatrizao
Lany vola sy harena kiritra lava izao
Nidofotra foana,tsy hita hoe ahoana
Fahafatesana no saika nanjo

Soa fa teo Ianao,nanaiky hamonjy ahy
Soa fa teo Ianao,nanaiky hofaty ho ahy
Soa fa natsangana Ianao,mba hanamarina ahy
Ho hotonga olom-baovao
Soa fa teo Ianao,nokapohina ho ahy
Mba htononkira.serasera.organasitrana ahy,soa fa teo Ianao
Nitondra fiainam-baovao,olon'afaka aho izao
Soa fa teo Ianao Jeso

Tanora namako,aza variana loatra
Mihazakazaka foana,maika te hivaotra
Manao ny tsy fanao,hafahana mihoatra
Tsy misaina izay miandry any ankaotra

Jeso Tompo efa nijaly,nitondra ireo ratra
Alahelo fahoriana,ozona sy latsa
Ka nahoana ianao no mihenahena
Tsy manaiky ny ho vonjena

Raha ny zanaka no anafaka anao
Dia ho afaka tokoa ianao
Raha Jesosy no manasitrana
Dia ho fongana ny haretina

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : A hatramin'ny Z
Mpamaky : 298
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Antsamiah
Tamin'ny : 10/04/2019 11:24:52
ID : 11519

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo