Tsy maintsy tongako any (306 BUK)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
AhmadinéDaz :
Tsy maintsy tongako any e, f'efa izay no tanjoko
Na lavitra aza ny mankany e hiezaka aho ho antsika roa
Hanamafy ilay fitia, mandramaty sy ho doria
F'eo anilanao eo izaho malala no mba mankafy
Yeah, mbola tsy miova fa midoboka
Ilay foko hatramin'izao mitovy amin'ny fitempony vao niatomboka
Ilay izaho nahita anao tonga dia babo
Ny tokantranontsika roa apetraka amin'ilay avo
Ho lavitry ny sento ary isanandro ho ravoravo
Yeah, ka anio atolotro ilay peratra
Amin'ny fiainako dia ianao irery ihany no vaiavy mahazo sehatra
Ny kil ataoko mitehaka satria izaho lesy hiezaka
Dia ny nofintsika rehetra ho ataontsika ho tanteraka

Fiveranana: 2 fois
Tsy maintsy tongako any ianao fa efa izay no tanjoko
Ilay tranombongon'ny fitia no nomaniko hovantaninao any e

BZA:
Ela no niandrasana fa tonga ihany, ilay fotoana mamy indrindra amiko eto an-tany
Anoratako ny anaranao io ato am-poko, ho mandrakizay, tsy sanatria akory ho peta-toko
Mamy sy mangidy no efa nianantsika, tao ny nafana tao koa nangatsiaka
Niara-niafy isika , niezaka ny ho tafita (Ho tafita)
Androany miantso anao aho: manatona dia avia
Ho asiko peratra ilay tananao amin'ny ankavia
Eo imason'ireo fianakaviana, fa isika sy ianao irery no ho iray fandriana
Mandrakizay eto anatrehan'i Ray, fa ianao no vadiko, ianao no andefimandriko
Malala a, lambanakoho izaho sy ianao... Tiako ianao
Fiveranana: 4 fois
Tsy maintsy tongako any ianao fa efa izay no tanjoko
Ilay tranombongon'ny fitia no nomaniko hovantaninao any e
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : 306 BUK
Vangy : 1650
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mahmud
Daty : 18/12/2020 00:46
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0125