#586# [Feat. Mr Sayda] (306 BUK)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
AhmadinéDaz:
E e manangy e, hafa mihitsy ange ho aho 'zany miaina anilanao
'Reo masoko toa jamba rehefa tsy mahita anao
Efa nivoady isika hoe tsy ho atao kilalao
Dia nanaiky ianao, tsy niandry ahy nitalaho
Ny fiainako mamiratra,
Toa masoandro maniraka ahy hirosohatrany ilay tsikinao tonga lafara iny
Ireo tsy nety nataoko anie no ifonako eto androany
Ka 'reo adiady fahiny koa mba ialana tsiny
Potika aminao 'zah gyal ee
Miangavy aho raiso re ny tanako
Tsaiky jôby ianao koa anie mahafalifaly ee
Fitia mandrakizay ny antsika roa
Ny Ray ao ambony anie no hitantana sy hivimbina
Na mafy aza ny fiainana tsy atao haharesy
Izy irery ihany anie malala no anankinako ny fiainantsika roa
(Ho ataony eo 'zay mety)
Refrain (Mr Sayda): 2 fois
Fa tsapa natsiro
Izay rehetra niarahantsika roa
Mazava tsy nilàna jiro
Toy ny masoandro manazava vao mifoha
Mr Sayda:
Sokafy ny varavarankely
Feonao ve 'zany malala sa feom-boronkely
Toa re misiotsioka e, toa 'tady hikiakiaka e
Miantsoantso ny anarako hoe malala andao mba hiaraka ô
Sokafy ny fonao fa aza ahidy
Fitiavana ao am-ponao iray valizy
5,8,6 ilay fanalahidy
Aza mandainga haiko hoe 'zah 'lay tena izy
Fa na iza hitonon-tena ho tompony e
Mangamanga ohatran'ny lanitra ny lokony e
Mpisoloky 'zay miseho mitondra mokony e
Mavokely ohatran'ny raozy 'zany fofony e
Kalangita toa racine ny volony e
Fakofakona ririnina ny molony e
Toa fanomezana mafonja izay natolony e
Mba ho anah' irery ihany
REFRAIN 4 fois
® 2018
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : 306 BUK
Vangy : 3248
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : mahmud
Daty : 23/07/2018 14:44
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.068