Ramano be Galona
basse GCB Am Am Am/G/B C G/C/B Ny tanin-dRamano G FG G Dia tany zanatany A E F G Ny tany tamin’izany G G G/A/B/C G/C/B/A Mbola feno zanatany Nanainga i Ramano Tsy afaka nandà! Nirongo basy lava Nilanja barida Ady no naleha Tsy anaovana kinanga Nitifitra na maty Nefa olon-janatany Naverina Ramano Tsy maty nefa angano Ny olona eny an-dàlana Mihomehy ny galonany Galonan-dRamano Dia misy tena izy Fa misy mampihomehy Mampioraka ny ankizy Satria kapsily Sy fatina bilao Mikoritsana eny an-tratrany Grady be tsy zakany Nalevina omaly Ramano be Galona Ireo mpananihany Nanjary nitomany Ny tanin-dRamano Dia tany zanatany Ny tany tamin’izany Mbola feno Zanatany
