Ampidiro aloha ny tenimiafina
Mitia mangina
Re Tsy fantatrao fa teny foana anie aho Nitily sy nitsena ny alokao Ka manara-maso lava izao Dia iny ianao voninkazo iray Izay kanto loatra sarobidy ho ahy Te-hioty aho anefa fa tsy sahy Hiloa-bava aho ho vahotra Hiresaka aminao hatahotra Te-hikiry anefa sarotra Manahy aho mantsy sao ho lavinao Tsy zakako raha izay no hitranga izao Harary mafy ny ao anatiko ao Aleo hitia mangina anao ny foko Ataoko ampy ahy fa tsy toloko Raha ny fitiavako anao tsy heloko Aleo hijanona ho tsiambaratelo
