Tsy miraharaha
Titre
Tsy miraharaha
Envoyé par ondinion
Le 11/09/2007 17:19
Visites : 484
Accodr kabôsy izy io, tsy miasa ny 6éme corde: De base sol ; misy capô ny 2éme cage.
REGLAGE GUITARE: Ny MI kely hampidinina ho RE; ny LA ampidinina ho SOL
Anisan'ny faran'izay sarotra @ Folk tendre'i Dama. Mahazotoa e!
TSY MIRAHARAHA
Sol do
Tanety dorana, tsy miraharaha
sol re
Arehitra ny ala, tsy miraharaha
sol do
May ny tanindrazana, tsisy miraharaha
sol re sol
Ny hoavin’ny taranaka, tsy miraharaha
sol/do sol/do
O ry aba, o ry endry
sol re sol/re sol
Ny hamono antsika ange tsy mba basy velively
sol/do sol/do
O ry aba, o ry endry
sol re sol/re sol
Tsy mahatsiaro tena isika, mihamaty tsikelikely
.............. @ izay ny manaraka.................
Risoriso manjaka, tsy miraharaha
Izay osa voadaka, tsy miraharaha
Ny efa matanjaka, tsy miraharaha
Sondriana mitrandraka, tsy miraharaha
O ry aba, o ry endry
Safiran’Ilakaka tsy hita velively
O ry aba, o ry endry
Saingy afa-drakotra izao ny tantely
O ry aba, o ry endry
Ny harena an-kibon’ny tany tsisy mitsisy velively
O ry aba, o ry endry
Ny taranatsika re mba amelao kely
Ny fiarahamonina, tsy miraharaha
Aleony mionona, tsy miraharaha
Lasa fomba fanao ny tsy miraharaha
Isika Malagasy lasa tsy miraharaha
O ry aba, o ry endry
Tena loza ity isika Malagasy anie ho very
O ry aba, o ry endry
Vola indray izao no solon’ny fanjakana manan-kery
O ry aba, o ry endry
Tena loza ity isika Malagasy anie ho very
O ry aba, o ry endry
Ny vola indray izao no solon’ny raiamandreny to teny
O ry aba, o ry endry
Soa ihany fa mbola misy anareo miraharaha
O ry aba, o ry endry
Soa ihany fa mbola misy zanakareo miraharaha