Ampidiro aloha ny tenimiafina
Mahafatifaty
1 - Efa ela aho no nivoady fa hijanona tsy hanambady 'Zaho tsy ho voarebireby hitebiteby ; Koa ataoko sanatria izay ho tia ka tena tia ary hanao ny hadalana dia ho voatana, Kanjo asa foana teo, niseranan-dry zareo, niova hevitra avy hatrany babony aho no niafarany, tsy nahateny fa nalemy ! Ny masony, toa mangarika 'nefa koa malefadefaka fijery MAHAFATIFATY ka manintona sy misarika toa ny misy herimbaratra mahery MAHAFATIFATY Tena kanto izany volony Miondraondra, misarako ao an-damosiny MAHAFATIFATY Raha mitsiky izany molony toa voankazo mena fify ka aoka fotsiny MAHAFATIFATY. 2 - Ireo sakaizako fahiny avy dia manome tsiny, lazainy aho fa tsy matotra ka dia voafatotra. Ry zareo manao izay tiany tsisy ora ny fodiany izay tiany aleha rehetra dia tsy voafetra ! Ity anefa no mba lalina rehefa mody izy amin'ny alina efa nanao kibo an-tsena, tonga tsy misy mpitsena fa manirery toa ny very Ny ahy kosa, vao amin'ny enina, indro tazako izy ery am-bavahady MAHAFATIFATY dia tsaroako, tsisy nenina mahafinaritra ery ny manambady MAHAFATIFATY Indro izy misomebika an-dakozia mikarakara ny sakafo MAHAFATIFATY Amizay aho dia rebika tsy maharitra fa dia manafosafo MAHAFATIFATY Nefa kosa, na izany aza, ny lafiratsiny mba misy kely ihany TSY MAHAFATIFATY Rehefa izy no mivazavaza, menomenona tsy misy fiafarany mila tsy ho tanty rehefa misy adi-hevitra mirintondrintona amin-java-tsisy fotony tena mahasoso-(tra ahy) nefa izaho tsy mety tezitra vao mahita izato fiangotingotiny MAHAFATIFATY !! Henri Ratsimbazafy 1987
