Groupe itmm
Titre
Groupe itmm
Envoyé par Sydorien
Le il y a 8 heures
Visites : 11
GROUPE ITMM
1- Misaotra ny Ray ambony,
Nanohana ny ezakay e
Nampisy ny tarika koa,
Nikatsahana izay mahasoa
Groupe nivoatra tsikelikely
@ faritra Ambohimangakely
Manandratra ny zava-kanto
Indrindra ny maha-Malagasy
GROUPE ITMM e,
Zay tafiaraka-nay tsy nanenina e
Miara-miasa @ olon-drehetra,
Gadon-kira tsy misy fepetra.
Ny teny manentana anay,
Hoanareo izay tsy mbola mahay.
"Fahendrena katsahana
mandrakariva @ fahalalana,
Ambiance foana no atao manoloana,
mandritra ny taona..."
2- Ny gadon-kira misy eto an-tanana,
Na ny milamina na ny mafana,
Ezahana avoaka avokoa,
Ikatsahana izay mahasoa.
Ny Groupe ITMM, dia efa mampiakatra be ny tandem..
Manamaivana ny problem,
Sady manosika anao tsy ho Oain...e
3- Fisaorana hoantsika rehetra
Nanohana anay tsisy fetra e..
@ fihaonantsika manaraka indray
Dia mba tena ho ataonay milay e.
koa manentana antsika rehetra
Handroso tsy hitaredretra
Anohana ny mpanakanto
fa ny tsara dia ataonay tsy miato.
A/C: Alban Randriarimalala
Groupe ITMM
Septembre 2025