Nephesch TA'AN

Ajouter une photo Envoyé par Nepheschtaan
il y a 23 jours
Les chansons de Nephesch TA'AN 0 Cliquer ici
Visites : 45
Préférés : 0 J'aime
Nephesch TA'AN dia mpanakanto misehatra anatin'ny tontonlon'ny HIP HOP, ka noho izay dia sady manao Rap izy no mihira ihany koa.
Ankoatra ny maha-mpanoratra azy, dia mpamorona feon-kira, sy mpandrindra feon-kira sy hira ihany koa izy. Izy ihany koa dia ao anatin'ny tontolon'ny haino aman-jery, na ny ara-peo, na ara-tsary.
Tsy dia fantarin'ny daholo be, nefa efa tamin'ny taona 2000 izy no nanomboka nanao Rap, maro ny lalana nolalovany, ary mbola manohy mandrakizao.
Nanomboka 2007 dia niditra tamin'ny tontolon'ny mozika ara-pilazantsara izy, ka izay no tena hahalalàna azy, na dia misy karazan-kira hafa ihany aza ataony, saingy tsy mivoana amin'ny resaka ara-panahy sy ny evanjelika nefa, saingy hoe mety tsy re mivantana izay toetra izay, fa toy ny hoe hira tsotra izany ireo raha henoina.
Manana raki-kira maro izy, saingy izay mahalala ihany no mahalala. Ao ny efa nivoaka, ary ao ireo an-dalana sy voa ho avy.

Commentaires sur Nephesch TA'AN

Aucun commentaire

Les chansons de Nephesch TA'AN (0)

Audio non disponible

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011