Fitahiana (W.o.J Gospel)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy miafina aminao raha ny fiainako taloha
Ho tantaraiko ny hafa hiovany mba ho soa
Naditra ara-panahy, mpanota
Tsy mba mendrika hiantso ny anaranao
Mpirehareha tena ratsy fomba
Sady mpandika ireo didinao
Soa fa teo ianao Jesoa nampiova fo
Tena meloka aho ka mifona aminao
Tao anaty lavaka aho tsy mba nafoinao
Nilona tamin'ny ota nefa mbola notaominao
Nirenireny teny aho
Nanao izay tian'ny foko atao
Nefa mbola indro ianao
Niantso sy nanolo-tanana ahy
Tsapako ry Ray tena tia ahy ianao
Tena mamiko ny fitiavanao
Fitahiana maro fiarovana mahery
No natolotrao ahy
Sambatra ny foko ravoravo ny fanahy
Manana anao
Hidera aho hankalaza anao irery ihany
Ry Ray Tsitoha
Ho entiko hanompoana ny anaranao
Ny saina,fo,fanahy
Maro be ireo sedra nandalovako hatrizay
Ka raha tsy voa mafy aho
Tsy mba nahatsiaro anao
Teo vao tonga saina
Dia nitaraina taminao
Nitodi-doha,niankohoka
Hiverina aminao
Tsy nanary ahy ianao
Fa dia nandray
Tsara indrindra ianao
Sady mpamindrafo
Fitahiana maro fiarovana mahery
No natolotrao ahy
Sambatra ny foko ravoravo ny fanahy
Manana anao
Hidera aho hankalaza anao irery ihany
Ry Ray Tsitoha
Ho entiko hanompoana ny anaranao
Ny saina,fo,fanahy
Ampy ho ahy Tompo ô, ny fitahianao.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : W.o.J Gospel
Vangy : 395
Mpankafy : 3 Ankafizo
Nampiditra : Handzart
Daty : 20/03/2023 14:12
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0225