Mahaontsa (Vahine)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Falifaly ery ny mpianakavy
Fa tratry ny fety
Ny ankizy feno tsiky,samy mivikiviky
Nahazo kilalao

Tsy mba takatry ny sainy, fa any ambadika any ho any
Misy ireo zay mitomany maniry ny ho faly
Saingy tsisy ny apoaka, zara aza raha milaoka
Mihafihafy izay tsy izy toa tsy mba ankizy

Ravoravo ery somebiseby,
Mihaingo mirenty
Nde hamonjy ny tempoly, avy eo hiala voly,
hisotro; hilalao

Fa mba ho aiza kosa anefa
Ireo mahantra izay marisa
Mipitrapitra mahonena
Mijery ny trema

Ny ao am-pony ontsaontsa
Miboiboika sy manonja
Manesika ny tena hanonona
Ilay Ray izay tompoina

Tsy ontsa ve ny fonareo mahita azy ireo
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Vahine
Visites : 2517
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : havannah
Date : 23/02/2019 14:22
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0375