Aza ariana (Tonton Pa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Be ny adalana
Niaretanao ihany
Zaho moa tamana
Nanohy nanohy hatrany
Ny eto an-tanàna a,
Niaiky volana an'izany.
Fa sarotra ialana na toaka na sigara
Gadrain'i satana, gejainy tsy afa-miala
Raha ho afaka aza angamba
Mety hivoa-jamala

Soa fa nisy anao
Nahazaka ny hafokana
Ka mba iantrao fa mila fiovàna
Raha hilaozanao, asa izay hiafarana

Aza ariana e, na dia maditraditra e
Ny andro ho avy sisa hatokako ho antsika
Toroy raha toa tsy mety
Aza avela hioa-pefy (2x)
Aza ariana e, fa tsy fanahy iniana
Indraindray variana, adino ireo nihafiana
Tolory fanampiana
Fa manan'olon-tiana (2x)

Voaroaka tamin'ny asa,
Dia tsy nahita intsony
Ianao tsy nandatsa
Toy irony havana irony
Laniny moa ny patsa
Mafy izany, ny aza voany
Eh Oh ou oh,
Ianao irery sisa
No andriko eto an-tany
Raha izay sipasipa
Miserana dia any
Izay vita dia vita
Izaho tsy hanenina amin'izany

Soa fa nisy anao
Nahazaka ny hafokana
Ka mba iantrao fa mila fiovàna
Raha hilaozanao, asa izay hiafarana e

Aza ariana e, na dia maditraditra e
Ny andro ho avy sisa hatokako ho antsika
Toroy raha toa tsy mety
Aza avela hioa-pefy (2x)
Aza ariana e, fa tsy fanahy iniana
Indraindray variana, adino ireo nihafiana
Tolory fanampiana
Fa manan'olon-tiana (3x)

A/C : Tonton Pa
--------
Rohy:
Hevitra
Niconiks2212 ( 16/11/2025 09:12)
Ankafizo e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tonton Pa
Vangy : 86
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Niconiks2212
Daty : 16/11/2025 09:10
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0729