Mitovy Aminao (TO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mba te, mba te hitafa kely,
Hoe hiresaka aho androany,
Mikasika 'ty fiainana ity,
Fa toa mampanontany,
Hoe 'Zah' ve, 'Zah' ve no sahirana lava,
Sa hoe tsy afaka mihintsy,
Fa 'zay tonga eo rehetra tsy ampy ahy,
Sa hoe tsy mahay mitsitsy,
Fa dia nahoana, fa dia nahoana,
Sa 'lay fiainana mihintsy,
No efa sarotra loatra,
Tsy haiko hoe ahoana, tsy haiko hoe ahoana,
Mba te hiezaka ihany aho nefa,
Nefa tsy afa-manoatra.

Sa ve ôhatra anao,
Mety mitovy aminao,
Mety hoe tsy hafahafa ihany aho 'ngamba,
Fa mety hoe, mety ôhatra anao,
Mety mitovy aminao,
Sa ve ôhatra anao,
Mba te ho tafa fa tsy hoe hafahafa,
Fa mety hoe, mety ôhatra anao,
Mety hoe mitovy aminao.

Ou ou ou ou ou.

Faly 'Zah' rehefa,
'Zah' rehefa sendra tojo,
Na hoe mahazo izay iriana,
Toa tsy mba maharitra ela eo 'zany,
Fa vetivety ihany dia tiako hariana,
Ôhatrany hoe, ôhatrany omaly aho 'zao nitady,
Fa hoe mba mila roa arivo,
Androany 'zao lasa tsy ampy ahy,
Mba tiako hitombo dimy arivo,
Mahalasa saina, mahalasalasa saina,
Toa tsy mety ho afa-po,
Fa miovaova vetivety,
Mahatonga saina, mahatonga saina,
Te hiaina @ fiainana hafa foana,
Kanefa kay toa tsy mety.

Sa ve ôhatra anao,
Mety mitovy aminao,
Mety hoe tsy hafahafa ihany aho 'ngamba,
Fa mety hoe, mety ôhatra anao,
Mety mitovy aminao,
Sa ve ôhatra anao,
Mba te ho tafa fa tsy hoe hafahafa,
Fa mety hoe, mety ôhatra anao,
Sa ve ôhatra anao,
Mety mitovy aminao,
Mety hoe tsy hafahafa ihany aho 'ngamba,
Fa mety hoe, mety ôhatra anao,
Mety mitovy aminao,
Sa ve ôhatra anao,
Mba te ho tafa fa tsy hoe hafahafa,
Fa mety hoe, mety ôhatra anao,
Mety hoe mitovy aminao.
--------
Lien:
Commentaires
Dridroka ( 06/05/2026 22:33)
K'aiza daholo e.
Vazo milay ito na dia tsy tena mbola malaza sy tsy dia re eny rehetra eny aza.
Mamakia finaritra ô. 🤓🙏🤩
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : TO
Visites : 28
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : Dridroka
Date : 06/05/2026 22:31
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2523