''Raha toronao'' (''Tarika Mpivahiny'')
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
[Verse 1] X2Raha ho tonga ny fetra
indray andro any hialanao ety an-tany
Fa ity tany ity fandalovana mantsy
ka tsy nisy ny natao tsy ho faty
Tsisy afaka hiambo na dia olona iray
fa ho velona eto mandrakizay
Tsisy mahavidy faty na lanitra ambony
fa izay lasa tsy miverina intsony
[Refrain] X2
Ka raha toronao no tsy maintsy andeha
ka hody ianao ry mpivahiny
Ho lasa tsy tana sy hamakivaky ô
hiazo iny habakabaka iny
Efa vonona ve ny lakile
adiresy misy tombokase
Sao mba hidy aminao
ny vavahady any ka any ivelany ianao no hitomany
[Verse 2] X2
Maro anie teto an-tany
ireo mpifankatia izay mpinamana tsy nifankafoy
Nefa indray mi pi-maso
tsy nampoiziny akory dia natory ka tsy nifoha intsony
Tsy vitsy noho izany
ireo namohy fo nitomany anefa mba ho aiza moa
Lalan-tokana tsy azo ihodivirana izany ka manaova ny marina ihany
[Refrain] X2
Ka raha toronao no tsy maintsy andeha
ka hody ianao ry mpivahiny
Ho lasa tsy tana sy hamakivaky ô
hiazo iny habakabaka iny
Efa vonona ve ny lakile
adiresy misy tombokase
Sao mba hidy aminao
ny vavahady any ka any ivelany ianao no hitomany
[Verse 2] X2.......
[Refrain] X2.......
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : ''Tarika Mpivahiny''Visites : 10
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : mich_07
Date : 27/05/2026 19:23
