Tsy Anjara (Tarika Miandry)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Raha nihevitra aho
ny hiara-dalana
dia fikasana tokoa,
fa ny lahatra no aloha.
2. Atao ahoana moa
fa tsy anjara ny antsika roa.
Aza kivy na mamoy fo.

Réf: Tsy hoe tsy fitiavana
na koa fiangarana,
fa setrasetram-piainana
izay tsy azo nihodivirana.
Ny fitaka dia ho sanatria,
f'izaho raha tia dia tena tia
ka ny hany vavaka ho atao,
hahita ny soa raha izaho sy ianao.

3. Raha nihevitra aho
fa tsapanao izay rehetra natao,
dia fikasana ho doria
saingy indrisy tsy izany,
4. Satria toa zava-poana avokoa
'lay fiarahana taloha,
tsy hay kosehina, mandratra fo.

Réf: ....

(Aza kivy na mamoy fo,
na tsy anjara aza ny antsika roa) x2.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Tarika Miandry
Visites : 739
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Micky i'koahy MMC
Date : 13/12/2021 19:37
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0831