Firariantsoa (Tarika Lafatra)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fehezam-boninkazo no indro atolotro anao mba ho fahatsiarovana ny fetinao
Mitsingerina anio ny nahaterahanao
Kely dia kely monja fa tena am-pitiavana
Firariantsoa tena avy ao am-po no atolotro anao
Mba ho tody soa amin’ny tanjona irinao ianao
Dia izaho miarahaba anao

Ref: Andro iray voatokana ho anao ity andro ity
Koa mifalia miravoa fa nomen’ilay Ray tombon’andro
Hahavelomana ho lava anie ny andro iainanao
Feno dia feno ny fo,etsy horoako
Dia mbola ho tratry ny ho avy indray

Foroniko ho anao ity hira ity no atolotro mba ho fahatsiarovana ny fetinao
Satria tsy irery ianao inty aho ho namanao
Ho anilanao eo ihany tsy lavitra fa akaikinao
Mba hirary soa hampahery koa, hanampy anao ianao ihany
Mba ho tody soa amin’ny tanjona irinao ianao
Dia izaho miarahaba anao
Ref…

Firariantsoa tena avy ao am-po no atolotro anao
Mba ho tody soa amin’ny tanjona irinao ianao
Dia izaho miarahaba anao
Ou ou ou ou ou ou

A/C: Avoko Andriamihaja
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Tarika Lafatra
Visites : 1573
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : 00336255707
Date : 28/08/2016 12:22
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0746