Vonjeo ny taninay (Antoko Mpihira Taratry ny mazava)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
O ry mpamonjy tsara oh! Vonjeo ny taninay oOoh
Mba tahio re ny tanindrazanay
Jehovah oh mba hazavao ity nosinay
Ity firenena izay malemy ity
Havaozy ho aminao
Mba ho mpanara-dia

Vonoy, ny asa izay malotoloto
Esory, ireo izay misakana tsy handroso
Mba hihatsara
Taratry ny Mazava

Ny fifankalana sy ny adiady
Mba esory aminay Malagasy

Vonjeo ity taninay
Izay honenanay
Ka tariho lalandava
Vonjeo ity nosinay
mba hanjakao ao
Izay asan'ny mazava

Vonjeo ity taninay
Izay honenanay
Ka tariho lalandava
Vonjeo ity nosinay
mba hanjakao ao
Izay asan'ny mazava

Oh ry mpamonjy tsara oh! Vonjeo ny taninay
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Antoko Mpihira Taratry ny mazava
Visites : 1331
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : rukbat16
Date : 25/01/2015 18:59
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3956