FIAINAKO IANAO (Antoko Mpihira Taratry ny mazava)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Tsy afaka ato am-poko
Jesoa ny fitiavanao
Nantsoina mba hanompo
Hitory ny anaranao
Na efa namoy fo
Dia namindranao fo
Mba ho mpandresy tokoa
Handray ny lovasoa

Réf:
Fa fiainako ianao
Jesoa Ilay finoako
Toriana eran-tany Ianao
Jesoa sakaizako

2-Nandeha nivezivezy
Tanatin’ny taona maro
Nandeha tena irery
Fa hoe tsy mila mpiaro
Dia kapoka mahery
Izay no nahatsapana
Ity saika ondry very
Nanary ny adalana

Réf:
Fa fiainako ianao
Jesoa Ilay finoako
Toriana eran-tany Ianao
Jesoa sakaizako

Tsy afaka ato am-poko
Jesoa ny fitiavanao
Nantsoina mba hanompo
Hitory ny anaranao
Hitory ny anaranao
Hitory ny anaranao
Hitory ny anaranao

Réf:
Fa fiainako ianao
Jesoa Ilay finoako
Toriana eran-tany Ianao
Jesoa sakaizako
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Antoko Mpihira Taratry ny mazava
Visites : 1366
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : faliherijaona17
Date : 08/08/2017 20:39
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0722