Ho Fanilo (stk Ambodihady)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1 - Ny teninao no iainako hatramin'izao,
Tsy mbola nandiso fanantenana ahy,
Ka ho zarazaraiko amin'ireo
Mbola tsy mahafantatra Anao
Mba samy hiaina amin'ny Teninao ny tsirairay.

Ny teninao no iainako hatramin'izao,
Tsy mbola nandiso fanantenana ahy,
Ka ho (zarazaraiko) zarazaraiko amin'ireo
Mbola tsy mahafantatra Anao
Mba samy hiaina amin'ny Teninao ny tsirairay.

Fiv. Ho fanilon'ny tongotro
Sy fanazavana ny lalàko
Ny Teninao Ray ô,
Manome toky ho ahy,
Ka tsy ho kivy aho
Satria manana Anao Kristy
Mitsilo izay alehako isan'andro.

2 - Be fitiavana anie ilay Tompontsika
Manome tolo-tsaina no sady tsy mandao
Mba iriko raha mba hiaino
Izay lazain'ny Tompo ianao
Aoka izay ny fanenjehana teo aloha.

Be fitiavana anie ilay Tompontsika (ilay Tompontsika)
Manome tolo-tsaina no sady tsy mandao
Mba iriko raha mba hiaino
Izay lazain'ny Tompo ianao
Aoka izay ny fanenjehana teo aloha.

Fiv. Ho fanilon'ny tongotro
Sy fanazavana ny lalàko
Ny Teninao Ray ô,
Manome toky ho ahy,
Ka tsy ho kivy aho
Satria manana Anao Kristy
Mitsilo izay alehako isan'andro.

Samy hiaina amin'ny Teninao
Samy hiaina amin'ny Teninao
Samy hiaina amin'ny Teninao
Samy hiaina ny Teninao.

Fiv. Ho fanilon'ny tongotro
Sy fanazavana ny lalàko
Ny teninao Ray ô,
Manome toky ho ahy,
Ka tsy ho kivy aho
Satria manana Anao Kristy
Mitsilo izay alehako isan'andro.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : stk Ambodihady
Visites : 1137
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : TahianaRandria
Date : 10/11/2017 18:51
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2018