Tefeo (Snatah)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mijery, mijery ny lasa
Mandinika ny ho avy
Misaina koa izay hiafarana. (x2)

Mba tsy ho sanatria ka hamita-tena
Mila mandini-tena
Noharina toy ny tany mangamanga
Mila fanefena.

Tefeo ary amboary aho Jesosy
Mba ho tena zanakao
Ka ho ampy lanja, ampy refy,
ampy fatra ihany koa
Amin'ny Fiavianao. (x2)

Solo .....

Ampianaro aho
mba hitandrina ny didinao
Hazaka ihany koa ny fitondranao. (x2)

Ampafataro ahy ny farako
Dia ankino amin'ny teninao raha mino
Ka ho hita Jesosy fa ankasitrahanao
Amin'ny andro izay ialako ety.

Tefeo ary amboary aho Jesosy
Mba ho tena zanakao
Ka ho ampy lanja, ampy refy,
ampy fatra ihany koa
Amin'ny Fiavianao. (x2)

Solo .....

Ny tsy anantsiny
eo imasonao Jeso
no faniriko, mandra-piavinao. (x2)

Ka hatanteraka ireo fitaizam-panahy
Iarovana amin'ny ota sahisahy
Ahananako fiainam-bavaka
Ka anio ianao no tonga dia tafakatra a

Tefeo ary amboary aho Jesosy
Mba ho tena zanakao
Ka ho ampy lanja, ampy refy,
ampy fatra ihany koa
Amin'ny Fiavianao. (x2)

Tefeo ary amboary aho Jesosy
Mba ho tena zanakao
Ka ho ampy lanja, ampy refy,
ampy fatra ihany koa
Amin'ny Fiavianao. (x2)

Mba tsy ho very sanatria
Sanatria.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Snatah
Visites : 2349
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : christophe17
Date : 20/03/2018 21:41
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0744