Ilay Taniko (SIVY MAHASAKY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Safidy niriko no hitoetra eto anilanao
Ry taniko mamiko sanatria izay handao anao
Na mahantra aza ianao ka naniha ny olonao
Aiza izy no handeha?
Fandravana tanana tsy misy fiafarana
No natao taminao

Ireo razana taloha izay niady ny ho anjaranao
Ny fony sy ny ainy natambany ho fiandriananao
Na mahantra aza ianao ka naniha ny olonao
Aiza izy no handeha?
Fa ny tantara no hitsara na ratsy na tsara
Ireo dimby sy fara

Izao ianao rotidrotika potika sy lo
Ny fanimbana natao avokoa
Ireo zava-manan`aina
Mipenipenina mitoloko, mitaraina
Ny vahoakanao mijaly,
Farofy mahantra lava izao
Mijaly

Ref x 2:
Mino aho kanefa
fa indray andro any
Ny alahelon-tsika rehetra sy ireo tomany
Hajary fiainana soa
Ho kanto sy hirindra avokoa
Ho nosy sambatra ianao ry tany mamiko

Safidy niriko ny hitoetra eto anilanao
Ry taniko mamiko sanatria izay handao anao

                                                                                        

                                                                                         Nampidirin`i Commissaire HENINTSOA
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : SIVY MAHASAKY
Visites : 177
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : Hentsa
Date : 14/08/2025 01:38
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1077