O ry vintana (Simone RAZAKA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Naleo tokoa niara-dia
Niarak'ory, niara-paly
Naleo tokoa nifankatia
Satry fitia nifamaly
Satriko ny hiombon-tsento
Ho fitia tsy manam-petra
Ka izany no ho ventso
Amin'ny androko rehetra
O ry vintana ô ampio
Ny fitia mba te hiray
Ny omaly sy ny anio
Mbola tsy manampy anay

2. Satriko mba hisafidy
Ny anjarako eto an-tany
Na ho mamy na mangidy
Na ho faly na tomany
Satriko nefa indrisy
Ny nantenaina toa nikoro
Ka ny fo narisarisa
Dia najary torotoro
O ry vintana ô nahoana ?
Anjara ve sa didy ?
Foiny 'ndray tafahoana
Toa tsy afa-misafidy


Simone RAZAKA
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Simone RAZAKA
Visites : 2203
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : BrunoPAYET
Date : 20/07/2014 08:24
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1065